1. Moreover, brethren, we do you to wit of the grace of God bestowed on the churches of Macedonia;
1. Nous vous faisons connaître, frères, la grâce de Dieu qui s`est manifestée dans les Églises de la Macédoine.
1. "Ary ampahafantarinay anareo,ry rahalahy, ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena tao amin’ny fiangonana any Masedonia;"
2. How that in a great trial of affliction the abundance of their joy and their deep poverty abounded unto the riches of their liberality.
2. Au milieu de beaucoup de tribulations qui les ont éprouvées, leur joie débordante et leur pauvreté profonde ont produit avec abondance de riches libéralités de leur part.
2. Fa tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny halalin’ny fahantrany no nitomboan’ny haren’ny fahalalahan-tanany.
3. For to their power, I bear record, yea, and beyond their power they were willing of themselves;
3. Ils ont, je l`atteste, donné volontairement selon leurs moyens, et même au delà de leurs moyens,
3. Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany,
4. Praying us with much intreaty that we would receive the gift, and take upon us the fellowship of the ministering to the saints.
4. nous demandant avec de grandes instances la grâce de prendre part à l`assistance destinée aux saints.
4. "Sady nangataka mafy taminay koa izy mba horaisinay ny fanomezana ka havelanay hikambana amin’ny fanompoana ny olona masina;"
5. And this they did, not as we hoped, but first gave their own selves to the Lord, and unto us by the will of God.
5. Et non seulement ils ont contribué comme nous l`espérions, mais ils se sont d`abord donnés eux-mêmes au Seigneur, puis à nous, par la volonté de Dieu.
5. Ary izao no nataony, tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ny Tompo aloha, dia ho anay koa noho ny sitrapon’Andriamanitra.
6. Insomuch that we desired Titus, that as he had begun, so he would also finish in you the same grace also.
6. Nous avons donc engagé Tite à achever chez vous cette oeuvre de bienfaisance, comme il l`avait commencée.
6. Ka dia nangataka an’i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
7. Therefore, as ye abound in every thing, in faith, and utterance, and knowledge, and in all diligence, and in your love to us, see that ye abound in this grace also.
7. De même que vous excellez en toutes choses, en foi, en parole, en connaissance, en zèle à tous égards, et dans votre amour pour nous, faites en sorte d`exceller aussi dans cette oeuvre de bienfaisance.
7. Fa araka ny itomboanareo amin’ny zavatra rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’izao fahasoavana izao.
8. I speak not by commandment, but by occasion of the forwardness of others, and to prove the sincerity of your love.
8. Je ne dis pas cela pour donner un ordre, mais pour éprouver, par le zèle des autres, la sincérité de votre charité.
8. Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon’ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan' ny fitiavanareo koa.
9. For ye know the grace of our Lord Jesus Christ, that, though he was rich, yet for your sakes he became poor, that ye through his poverty might be rich.
9. Car vous connaissez la grâce de notre Seigneur Jésus Christ, qui pour vous s`est fait pauvre, de riche qu`il était, afin que par sa pauvreté vous fussiez enrichis.
9. Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena azy Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny fahantrany.
10. And herein I give my advice: for this is expedient for you, who have begun before, not only to do, but also to be forward a year ago.
10. C`est un avis que je donne là-dessus, car cela vous convient, à vous qui non seulement avez commencé à agir, mais qui en avez eu la volonté dès l`année dernière.
10. Ary dia ambarako izay toro-hevitro ny amin’izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan’ny sasany hatry ny taona itsy.
11. Now therefore perform the doing of it; that as there was a readiness to will, so there may be a performance also out of that which ye have.
11. Achevez donc maintenant d`agir, afin que l`accomplissement selon vos moyens réponde à l`empressement que vous avez mis à vouloir.
11. Ataovy tanteraka àry izany, ka tahaka ny nahavononanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa no hahatanterahanareo azy araka izay anananareo.
12. For if there be first a willing mind, it is accepted according to that a man hath, and not according to that he hath not.
12. La bonne volonté, quand elle existe, est agréable en raison de ce qu`elle peut avoir à sa disposition, et non de ce qu`elle n`a pas.
12. Fa raha misy aloha ny fahazotoana, dia araka izay ananan' ny olona no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.
13. For I mean not that other men be eased, and ye burdened:
13. Car il s`agit, non de vous exposer à la détresse pour soulager les autres, mais de suivre une règle d`égalité: dans la circonstance présente votre superflu pourvoira à leurs besoins,
13. Kanefa tsy ny hahatonga fahamaivanana amin’ny sasany ary fahoriana aminareo no hanaovako izany,
14. But by an equality, that now at this time your abundance may be a supply for their want, that their abundance also may be a supply for your want: that there may be equality:
14. afin que leur superflu pourvoie pareillement aux vôtres, en sorte qu`il y ait égalité,
14. Fa ny mba hisy fitoviana, ka amin’izao ankehitriny izao ny haben’ny harenareo no hahafaka ny alahelon’ireo, ary ny haben’ny haren’ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana,
15. As it is written, He that had gathered much had nothing over; and he that had gathered little had no lack.
15. selon qu`il est écrit: Celui qui avait ramassé beaucoup n`avait rien de trop, et celui qui avait ramassé peu n`en manquait pas.
15. Araka ny voasoratra hoe: “Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy”
16. But thanks be to God, which put the same earnest care into the heart of Titus for you.
16. "Grâces soient rendues à Dieu de ce qu`il a mis dans le coeur de Tite le même empressement pour vous;"
16. Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon’i Titosy ho anareo.
17. For indeed he accepted the exhortation; but being more forward, of his own accord he went unto you.
17. car il a accueilli notre demande, et c`est avec un nouveau zèle et de son plein gré qu`il part pour aller chez vous.
17. Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo.
18. And we have sent with him the brother, whose praise is in the gospel throughout all the churches;
18. Nous envoyons avec lui le frère dont la louange en ce qui concerne l`Évangile est répandue dans toutes les Églises,
18. "Ary ilay rahalahy izay malaza amin’ny filazantsara any amin’ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy;"
19. And not that only, but who was also chosen of the churches to travel with us with this grace, which is administered by us to the glory of the same Lord, and declaration of your ready mind:
19. et qui, de plus, a été choisi par les Églises pour être notre compagnon de voyage dans cette oeuvre de bienfaisance, que nous accomplissons à la gloire du Seigneur même et en témoignage de notre bonne volonté.
19. Ary tsy izany ihany, fa efa nofidin’ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay miaraka amin' izao fahasoavana izao, izay ataonay amin’ny fanompoana ho voninahitry ny Tompo ary ho vavolombelon’ny fahazotoanareo.
20. Avoiding this, that no man should blame us in this abundance which is administered by us:
20. "Nous agissons ainsi, afin que personne ne nous blâme au sujet de cette abondante collecte, à laquelle nous donnons nos soins;"
20. "Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’izao harena be tapahinay izao;"
21. Providing for honest things, not only in the sight of the Lord, but also in the sight of men.
21. car nous recherchons ce qui est bien, non seulement devant le Seigneur, mais aussi devant les hommes.
21. Fa mikatsaka hanao izay zavatra marina izahay, tsy eo imason’ny Tompo ihany, fa eny imason’ny olona koa.
22. And we have sent with them our brother, whom we have oftentimes proved diligent in many things, but now much more diligent, upon the great confidence which I have in you.
22. Nous envoyons avec eux notre frère, dont nous avons souvent éprouvé le zèle dans beaucoup d`occasions, et qui en montre plus encore cette fois à cause de sa grande confiance en vous.
22. "Ary nirahinay niaraka tamin’ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin’ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben’ny fahatokiako anareo."
23. Whether any do enquire of Titus, he is my partner and fellowhelper concerning you: or our brethren be enquired of, they are the messengers of the churches, and the glory of Christ.
23. "Ainsi, pour ce qui est de Tite, il est notre associé et notre compagnon d`oeuvre auprès de vous; et pour ce qui est de nos frères, ils sont les envoyés des Églises, la gloire de Christ."
23. "Raha ny amin’i Titosy, dia namako izy sady miara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia irak’ireo fiangonana izy ireo sady voninahitr’i Kristy."
24. Wherefore shew ye to them, and before the churches, the proof of your love, and of our boasting on your behalf.
24. Donnez-leur donc, à la face des Églises, la preuve de votre charité, et montrez-leur que nous avons sujet de nous glorifier de vous.
24. Koa amin’izany, asehoy aminy eo imason’ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.